Mifalia, ry zatovo...

« Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao... ka mandehana araka izay sitraky ny foNAO sy izay jeren’ny masoNAO; nefa AOKA HO FANTATRAO FA HO ENTIN’ANDRIAMANITRA HOTSARAINA IANAO AMIN’IZANY REHETRA IZANY. » Mpitoriteny 11. 9

Andraso kely aloha!

Any amin’ny nosy Jamaïque dia misy hazo kely mahavariana ny mpizaha tany, noho ny endriny hafahafa.

Raha vao mahakasika ny raviny ny akanjo, dia mihorona ireo ravina ireo, ary « voageja » tanteraka ilay olona.

Miezaka ny hanafa-tena àry izy, nefa raha mbola sahirana manala tsirairay ireo tsilon’ny ravina izy, dia misy hazo kely iray mitovy karazana amin’io ihany, mangeja azy indray. Dia misy fanintelony koa!

Mila fahamalinana sy faharetana be dia be tokoa vao afaka amin’ireo tsilo ireo.

Ny mponina any Jamaïque dia miantso io hazo kely io hoe « Wait a bit », izany hoe « Andraso kely aloha ». Anarana hafahafa, saingy, rehefa dinihina, dia tena tandrify io hazo kely io!

Ireo kirihitra amin’ny fiainana

Ny lalana mitondra ho amin’ny fahasambarana sy ny fitahiana koa, dia feno « kirihitra » vonona ny hihazona antsika.

Amin’ny fotoana izay tokony hahafahana manova ny fiainantsika, dia misy zavatra manakana antsika. Amin’ny fotoana izay ieritreretantsika ny dikan’ny fiainantsika, ny fisian’Andriamanitra, ny zava-misy aorian’ny fahafatesana, ny mandrakizay..., tampoka eo, dia manan-javatra hafa hatao isika. Mety ho zavatra tsy dia misy dikany, na tena zava-dehibe, nefa mitovy ihany ny vokany: mandalo ny fotoana!

Toy ny misy feo kely mibitsibitsika amintsika hoe: « Andraso kely aloha!  », manakana antsika tsy hihaino ny feon’Andriamanitra... ary indray andro any, dia HO TARA LOATRA!

Indreto misy ohatra sasantsasany:

Ny herin’ny fahazarana: Nisy manam-pahaizana nampitandrina ny mponina tao amin’ity tanàna kely iray fa misy loza mananontanona azy ireo, nefa dia nandà tsy hino izany izy ireo: « Efa an-taonany maro no eto ny tanàna. Koa inona no antony hifindrà-monina? » Fotoana kely taorian’izay dia nihatra ilay loza, ary olona maty an-jatony no vokatr’izany!

Ny avonavona: Tsy nanaiky handao tamin’ny andro alina ilay sambo nandehanany ireto mpandeha. « Tsy haninona ity sambonay ity mandra-pahamaraina ny andro e!  » Tsy nisy naharesy lahatra azy ireo mihitsy. Antsasak’adiny tatỳ aoriana dia maty tampoka ny jiro rehetra. Natelin’ny ranomasina ny rembiny.

Ny tsy firaharahana: indray andro dia nisy governora iray naharay hafatra maika, nefa tsy nanokatra izany: « Rahampitso ho hita eo ny zavatra manahirana e!  », hoy izy namazivazy. Ny fatiny no hita ny ampitso maraina. Nampitandrina azy ilay hafatra fa misy fiokona hamono azy!

Mety hisy koa hilaza hoe: mbola tanora loatra aho, tsy mila na inona na inona aloha aho izao, amin’ny andro hafa aho mieritreritra e...

Nisy tovolahy iray nanontaniana izay hataony any aoriana. Hoy ny navaliny: « Mbola manam-potoana aho e! Izao aloha dia ny hanararaotra ny fiainana no ataoko ». Ny harivan’iny ihany izy dia niharan-dozam-pifamoivoizana tamin’ny môtô, raha avy nilanonana niaraka tamin’ny namany.

Manome ohatra antsika ny Baiboly, ary mampiseho ny vokatr’ireo:

« Tabataba foana Farao, mpanjakan’i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy. » Jeremia 46. 17
« Tonga ny mpampakatra (Jesosy), ary izay efa niomana (ireo virijina dimy hendry) dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo (ireo dimy hafa) ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. » Matio 25. 1 hatramin’ny 12

Ireo olona rehetra ireo dia nihevitra hoe nanam-potoana. Tsy nokarakarainy teo no ho eo ireo zava-dehibe.

Tsy tian’i Satàna hieritreritra izany isika, ary mahita mandrakariva zavatra alikisa hanakanana antsika izy.

Mieritrereta dieny mbola tsy tara loatra!

Androany ianao no afaka manapa-kevitra na hiaina ho an’ny tenanao, tsy mitsinjo ny ampitso, na hanana tena tanjona eo amin’ny fiainanao. Androany ianao no afaka mieritreritra momba ny fisian’Andriamanitra. Androany ianao no afaka mianatra mahalala ny Tompo Jesosy ho Mpamonjinao manokana. Androany ianao no afaka mahalala izay misy aorian’ny fahafatesana sy mifidy izay toerana hisy anao any ankoatra.

Androany ianao, dieny izao mbola velona izao, no afaka mieritreritra izany rehetra izany, mba tsy handre any aoriana hoe: « Tsy fantatro ianao ».

« Enga anie ka hohenoinareo ANIO ny feony (feon’Andriamanitra) manao hoe: Aza manamafy ny fonareo. » Salamo 95. 7-8

Tsy manery antsika Andriamanitra, fa araka ny fahasoavany, dia miangavy antsika Izy ary mampitandrina antsika.

« Mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. » 2 Petera 3. 9

Fa indray andro any, dia HO TARA LOATRA!

Ho tara loatra ho an’ireo tsy nety hanova ny fahazarany. Ho tara loatra ho an’ireo izay be avonavona, be herehina, be fisalasalana, tsy miraharaha, tanora loatra... ka tsy nieritreritra ny hamitram-pihavanana amin’Andriamanitra.

Manatòna an’i Jesosy ANIO!

Zavatra iray ihany no ilainao atao:

« Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. » Romana 10. 9

Aza manaraka ny lalana mitondra ho amin’ny ampitso fotsiny, satria mety hiafara any amin’ny « Tsy hisy rahoviana na oviana » izany!

Ary ianao izay efa mahalala ny Tompo Jesosy ho Mpamonjy anao manokana, aza mangataka andro fa manaraha Azy. Izao Izy no miteny aminao hoe:

« Manaraha Ahy ianao. » Jaona 21. 23

Publié le 15.10.2010


Télécharger le PDFMifalia, ry zatovo...